You are here: home > Vetso

EFA TANY !... - Fredy Jaofera



EFA TANY !...





Efa tany aho saingy

tsy novohaina varavarana,
na dia teo nanarangarana
tsy mba nisy fitsaharana
fa tsy zanaka no anarana.




Efa tany aho saingy

natatatata ho hafetsena,
naverimberina ho harena
no namangiana ka nihena
'zay zotom-pon'ny tena !




Efa tany aho saingy

nahazo latsa tsisy farany,
nanamaivana ny anarany,
nandoto avy ny tantarany,
naneso koa ny anjarany !




Efa tany aho saingy

nahazo vava mafy loatra,
nahazo teny tafahoatra
ito foko izay nitraotra
ka veloma sy misaotra.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha