You are here: home > Vetso

INDRAY MIPI-MASO - Fredy Jaofera





INDRAY MIPI-MASO





Indray mipi-maso,
nivadika an-kaso
ny fiainany maro
tsy tia mifangaro.




Indray mipi-maso
dia izao ranomaso
ny lalan-kombany
tsy ho hay fafany.




Indray mipi-maso
dia kely torimaso
ny tenany etoana
sy be fisentoana.




Indray mipi-maso
dia tonga malaso
iny sakaiza omaly
voky be sy nifaly.





Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha