LOZA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOZA




Ny lapa ?...
May ireny ka dia may !
Tantara ihany sisa !....
Mirongatra eto indray
ny alahelo mila kisa.




Ny rova ?...
May ireny ka dia may !
Vetsoina ihany sisa !....
Mbola misy sy mivay
'tony sento mikorisa.




Ny afo ?...
Maty ireny ka dia maty !
Tsaroana ihany sisa !...
Mitsakotsako anaty
'rony loza voatanisa.




Ny soa ?...
Maty ireny ka dia maty !
Nofinofy ihany sisa !....
Rindrim-be poak'aty
no mitondra visavisa.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 31/08/2016 10:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141