You are here: home > Vetso

NY VALIN-KASASARANA - Fredy Jaofera


NY VALIN-KASASARANA





Ny valin-kasasarana
dia ny voa notoazana
mivatsy fandaharana
feno fahombiazana.




Ny valin-kasasarana
dia valim-paharetana
tsy mandia fiakarana
fa be hafinaretana.




Ny valin-kasasarana
dia tsy ho very maina
fa hamoha ny anarana
rehefa tsy antenaina.



Ny valin-kasasarana,
na ahoana na ahoana
dia mbola hisantarana
rehefa avy ny fotoana.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha