MATORY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATORY




Amin'izay matory,
misy fahatsiarovana
manome sorisory
sy tsy tia fahalovana.




Amin'izay matory,
misy alahelo mangina
manjary mamory
ny, hoe, fangirifiriana.



Amin'izay matory,
misy ratra mamelively
tsy sitrana akory
fa ao manindrona kely.



Amin'izay matory,
misy nenina manirikiry
any ho any, fotory
fa sento be makadiry.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
405 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115