RAHA MBOLA AO IHANY... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA AO IHANY...





Raha mbola ao ihany
ny toky izay nomena
aza ariana fa ny tany,
mbola eto manantena.




Raha mbola ao ihany
ny voady izay tsy foy,
aza esorina fa injany
misy hira mampitohy.




Raha mbola ao ihany
ny lasa mahafinaritra,
aza alana fa dia izany,
tantara iray tsy aritra.




Raha mbola ao ihany
'reo tononkalo maro,
aza avela fa tsy lany
izay ato ka atambaro.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
685 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/12/2018 11:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149