RATSIMANDRAVA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RATSIMANDRAVA


( Ho fahatsiarovana Ny Colonel Richard RATSIMANDRAVA voatifitra teo Ambohijatovo ny Talata 11 Febroary 1975 tamin'ny valo ora alina )




Iza ange no nanam-po
raha ambara mazava
fa ny tifitra no hanjo
an-dRatsimandrava ?


Iza ange no nahalala
fa eo Ambohijatovo
handriaka, hanadala
ny rĂ  sy nisy vovo ?


Fa naninona izy re
no dia nahazo loza ?
Nampialona izy ve
ka tsy nivozavoza ?...


Lehiben'ny Firenena
nanomboka ny asany,
vao nitory fandresena
dia matin'ny sasany !


Lehiben'ny Firenena
nilain'ireo vahoaka ;
mba nampanantena
fa tsy afa-nitsoaka.


Lehiben'ny Firenena
nikatsaka ny Marina,
vao lany sy nekena
dia lavo tsy tafarina.


Lehiben'ny Firenena
tsy niamboho adidy
nanao ho volamena
ny hafatra sy didy.


Sahy izay nahasahy
fa mbola habibiana
nahakivy ny fanahy
raha toa ka zohina.


Raketo ity tantarany
fa tsy fantatra, hono,
hoy ny teny farany
ireo olona namono.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1170 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/02/2016 12:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145