REHEFA AZONAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA AZONAO





Rehefa azonao ny fihafiako
dia ho azonao ny fitiavako 
mbola mamy sy mba tiako
ho anao ange raha vavako.




Rehefa azonao ny fijaliako
dia ho azonao ny ranomaso
tsy hay ambara sy fahoriako
ka nanafohy 'reo torimaso.




Rehefa azonao ny fanahiako
dia ho azonao ny adin-tsaina
mbola, indrisy, fangirifiriako
no sady izay mahasavolaina.




Rehefa azonao ny fanaviako
dia ho azonao izay fanafody
ilaina hatrany ka iangaviako
ho mpanaitaitra toy ny fody.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
903 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/08/2017 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0262