You are here: home > Vetso

REHEFA SAROTRA - Fredy Jaofera

REHEFA SAROTRA





Rehefa sarotra ny fiainana
dia manamora ny fitiavana :
tsy dia be ny fitarainana,
ny fo izany te hihavana.





Rehefa sarotra ny lalana
dia manamora ny fitiavana :
ny disadisa toa mahalana,
tonga ho azy ny finiavana.





Rehefa sarotra ny tanjona
dia manamora ny fitiavana
sady mbola mahatalanjona
rehefa misy tomandavana.





Rehefa sarotra ny tolona
dia manamora ny fitiavana,
voatefy avy isika ho olona
ary hanetry tena goavana.





Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 30/12/2017
Mpamangy : 104
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

TSY MORA
SOLONTENAKO
SATRIA (2)
NY HENDRY
NY KABARY HATRAMIN'IZAY
VAKA
BALISAMAKO
BALISAMA
NY FANGINAKO
ARIARY

Hametraka hevitra

Midira aloha