You are here: home > Vetso

TONGA NOFO - Fredy Jaofera

TONGA NOFO





Tonga nofo
ny Zanaky ny Ray
ka tora-jofo
ny saotra ranoray.




Tonga nofo
ny Zanaky ny Avo 
mba solofo
sy laza mampiravo.




Tonga nofo
fa efa fanomezana
tsy mba hiofo
ka ho fahaverezana.



Tonga nofo
fa efa famonjena
toy iny Mofo
mamelona ny tena.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha