You are here: home > Vetso

TSY TSARA VE ?... - Fredy Jaofera


TSY TSARA VE ?...




Tsy tsara ve
ny mifampitsodrano
toy izay, hoe,
mifanome angano ?




Tsy tsara ve
ny mifampirary soa
toy izay re
mifamely ny ho voa ?




Tsy tsara ve
ny mifampihataka
toy izay be
esoeso manahaka ?




Tsy tsara ve
ny mifampikopaka
toy izay ange
tsiny ny hamotaka ?




Fredy JAOFERA

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 11/01/2018
Mpamangy : 140
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

TSY MORA
SOLONTENAKO
SATRIA (2)
NY HENDRY
NY KABARY HATRAMIN'IZAY
VAKA
BALISAMAKO
BALISAMA
NY FANGINAKO
ARIARY

Hametraka hevitra

Midira aloha