Rova (H.Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROVA
.
Rova ianao
Dia lova toy ilay manjakamiadana
Mitaratra
tarafin'ny maso sendra mierika
Fa henika
Sy fenitra voarafitr'hatsaràna...
Ianao,
Irian'ny olo'maro
Ho tiana sy ho malala kanefa manan'tompo...
'lay peratra mamofo sy mamatotra ny tanana
No marika hamantarana
F'hatrany ianao tantanan'izay efa nofinidy:
Dia "izy"...
Izy ilay Andriana efa monina ao andapa
Misatro'bolamenan'ny henika fitiavana
Napetraka ho mpanjaka...
Rova!?
Rova!?
'ndriako 'lay nandova ny tetsy andafy Avaratra
Voarafitra ho firavaky ny fo mitady silaka...
F'indriko 'lay ba'gasy
Voatafo'na kapilaka
Ka manja tena manja...
Anatinao daholo
Rehefa vonifanjan'ny raki'tsarobidy,
Manidy
Fa manokatra
Ho an'ny olon'tokana 'zay efa voafidin'
ny nofonao manokana...
.
H.Nirina
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
791 1
Mpakafy: Miits5iky
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : H.Nirina
Nampiditra : Miits5iky
Daty : 30/10/2017 18:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139