vela (H.Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELA...
.
Teto ambany masoko no nisy anao nitrena
Niezaka namerina ny aina tao am'poko
Dia vatrako mihitsy,ny namotsotra,namela
'lay fehezam'boninkazo,f'efa rakotry ny loto...
.
'lay fasako tokana efa niombonana
Saika handevenako ny ahy sy ny anao
Voatery nihidy fa tsy azo amotohan'
Zao fandeferana lava any 'zao
.
Fon'olon'kafa indray 'loha ratraina
'lay mbola mitia ao anatin'ny sambany
Fa ny eto...matory sy mbola maka aina
Rehefa avy nizaka 'lay resim'pitiavana
.
Ekena fa sarotra ny mieritreritra
Hoe efa voadonton' ny aleoko maty
'lay fo hilevenan'ny sento matetika
Namotsitra anao hiantsampy any an'kafa
.
Ianao voninkazon'ilay vavahady
Ihany 'koa mpiandry ny Fý nofofoiko
Indrisy,nalazo,maina sy rava
Nitsiry any an'kafa vao indro tsaroako
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
715 2
Mpakafy: Djess - Miits5iky
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : H.Nirina
Nampiditra : Miits5iky
Daty : 30/10/2017 18:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134