ANJARA - ilery
Nofy fahazaza
Indray andro no nilaza,
Fa ianao ilay anjara
Voalazan’ny tantara.
Natolon’ny mpanendry
Ilay vady Hendry,
Ka na ho mamy na hangidy
Safidy fa tsy didy!
Androany no ho tontosa
Ny voasoratra hatry ny ela;
Ka ho azy irery kosa
Ny androko sisa tavela!
Koa ‘ndeha àry hiara-dia,
Hifampizara fitia;
Hifanohana hatrany,
Raha mbola eto an-tany!
ilery
Desambra 1999
Tononkalo hafa
FA MANINONAFETIN NY TSIAHY
FETIN’NY TSIAHY
FITIA DONAM-BARATRA
ILAY RAOZY ANY HO ANY
TOVOVAVIN'IARIVO
MALAHELO AZY
FITIA NOFINOFY
NY TSIKINAO
SILAKA FANAHY
Hevitra mandeha
ysless (06/03/2010 12:10:10)
tena mety amiko mintsy ity tonokalo ity