You are here: home > Vetso

TONTOLO FENO ANAO - J. Nalisoa RAVALITERA

Ny ao anaty nofiko
Na any an-tsefaky ny rofiko
   Heno foana ianao!

Na an-toerana mangina
Na eny am-pivoriana
   Tsaroako foana ianao!

Na toerana ialàko
Na lalana ombako
   Dia misy ny alokao!

Izay rehetra alehako
na fotoana hatrehiko
   Toa ahitana anao!

Ny marina dia izao
TONTOLO FENO ANAO
Izao tontolo izao!


      J. Nalisoa RAVALITERA(22/11/91)

Sokajy : embona, Fitiavana, Hanina

Mombamomba

Mpanoratra : J. Nalisoa RAVALITERA

Nampiditra : tslem
Daty : 28/01/2008
Mpamangy : 2576
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

ZO

Hevitra mandeha

laotsy (06/04/2008 20:14:40)

mahafinaritra le izy fa ts ampy. tsara lay centiment e!

mariarakotomanga (19/04/2008 13:42:25)

resy lahatra hoe tara fa tsy midika hoe tia an!

Hametraka hevitra

Midira aloha