ZO (J. Nalisoa RAVALITERA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZO!

ZO no ataoko ho anaranao na ho lahy ianao na ho vavy,
Ry sombinaiko ato am-bohoka.
ZO Lalaina sy Andrianina
ZO no ataoko anaranao

Zo no ataoko ho anaranao!
ZO a,
Aza dia mahery sangy fa mararirary i Neny a!
Dray! vao maika izy mihetsika,
Efa hoe marary Neny!!...

Nefa ataovy ihany manko e,
Zarako aza ianao mifaly,
Satriko aza taona maro no hitondrako anao ry ZO,
Mba tsy hahitanao maso ny zava-dratsy eto an-tany,
Indrindra ny endrim-panavahana amin'ny lafiny rehetra...
Fanavaham-bolo-koditra!

Any ananonanona any, misy reny toa an'i Neny,
Manatrika ny amonoana ny lahitokany eo no ho eo:
Misy Ray toa an'i Dada, miasa miari-pijaliana noho ny endri-panavahana:
Misy zaza toa an'i ZO, maty am-bohoka...satria tsy fotsy!!!
Misy Zo voahosihosy!!!
ZO, mandre Ianao?
Nahoana ianao no tsy manoina?
Mihetsi-po sahady i ZO?

...hay!!!, Zonao tokoa ny hateraka!
Tongava ary sombinaiko, ary aza dia manary toky
Fa raha mbola eto i Neny sy ny reny tahaka azy,
Misy olona eto an-tany ho tia sy hiaro Anao
Ry ZO!

J Nalisoa Ravalitera
Marsa 1971
--------
Rohy:
5971 5
Hevitra mandeha
jdd.rakotozafy ( 05/05/2016 09:17)
Na dia ny zo fotsiny ihany anefa no voahaja dia tena ho tsapa ny fiovana. Misaotra e...
rfanomezantoky ( 24/09/2019 14:12)
Zontsika mihitsy ny hanana mpanoratra mahay mamoaka ny zava-misy amin'ny endrika kanto toy izao. :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : J. Nalisoa RAVALITERA
Nampiditra : lalainamboahangy
Daty : 30/11/2015 07:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136