You are here: home > Vetso

Hafatra ho azy - jarina

toa tsy zakako intsony izany fijaliako
Fa ny olon-drehetra manjary fahoriako
Mba aiza iana ry Raiko ho andry iankinako
Fa na ny olotiako manome tsiny tenako
    
Tompo ô .ianao mahita izay diavako rehetra
Ianao koa sisa no hany mb antenaiko
Tsy anenjika ahy sy ny etsetretra
Indrindra mo amin'izay zavtra tsy aiko

Fatatrao fa nitia olona izay aho
Hitanao tazanao fa mananja azy aho
Nefa moa eo ihany  ireo olona tsy tia
Misopatra anay mba tsy hiaradia

Ray ô! mangataka aminao aho tahio ilay olotiko
Mba hino sy hatoky fa manaja azy aho ary tena tia
Fa raha toa ka tsy hino izy ,dia izao mba faniriko
Ho ento mody any aminao aho ry raiko be fitia

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha