You are here: home > Vetso

Tsy anjara ve? - kanto sarobidy

Fantany efa ela,fa tsy azony atao
Meloka hono izy,raha toa mitia anao
Tsy sitrapony anefa,raha tsy nahatana
Satria tsy voafefy na raran'ity lalàna..

Lalàn'ny fitiavana,resakin'ny taona
Matrokin'ny zavona ka mitondra saona
Rarana tsy navela,hiaraka ho doria
Ilay fo anaty lalim-paka,rakotra fitia

Tsy rava fa nazeran'ito taonan'ny fitiavana
Tsy resy fa nilavo tao anatin'ny fandavana
Niondrika aho anefa,fa tsisy intsony atao
Fa rendrik'ilay ora sy fotoana anatiko ao

Hevitra mandeha

ILIMIMJIVISDI (20/10/2017 18:09:32)

zany tokoa!

kanto01 (24/10/2017 18:56:56)

tena Zani tokoa izy io

Hametraka hevitra

Midira aloha