Misaina tsara dia mandray ny fo (KEL)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Oh…! Iza moa hatr’izay ka hatramin’izao
Eny fa na ho an’ireo mahantra na ny manana hatao
No handeha ho sahy hilaza, hitabataba sy hihambo
F’eto an-tany izy d’efa sambatra ka lavitry ny loza sy ny atambo
Mahasahy ve ianao hirehareha sy hanambara
Fa hijoro tsy hikoro na izao na any am-para…
Ho lavitry ny fahoriana sy ny fijaliana tsy hita isa?
Hirehareha mihitsy fa ny fiainanao eto dia efa Paradisa
Angamba izany fahoriana izany dia tsy fantatrao akory
Eny vitanao mihitsy aza ny manosihosy ny mahantra sy ny ory…
Tantinao ny mijery azy ireo mandadilady mitoloko mitaraina…
Nataonao fitaovana toy ny voahary tsy mba mananan’aina
Vitanao izany… Isaorana tokoa!
Ianao ilay nantenaina no injao nankarary indray ny loha
Ny tany anie tsarovy fa malama maina
Ka sao ianao hanenina ka any an-koatra vao hisaina
Fa mba inona tokoa moa ity harena anananao?
Volamena sa diamondra no hamiratra eto an tany…
Ekeo fa ny saina sy ny fo no tena harena sarobidy
Rehefa ireo no tsy manjary… ny fiainanao rehetra hangidy
Misaina aloha vao mandray ny fo…
Izay no tena fiainana hanomezanao ny soa
Raha handao anao ka hametraka ny penina
Saintsaino izay voalaza mba tsy ho tonga nenina
Sanatria tsy izaho akory ny olon-kendry ka hananatra
Rahona nandalo fotsiny iny,f’izay tokoa angaha no lahatra…
Koa mahaiza ary mamindra dia ampiasao ny loha
Dia ho tsapanao fa marina “Misaina tsara dia mandray ny fo”



KEL
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
4255 1
Mpakafy: miharimanana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KEL
Nampiditra : Dona
Daty : 15/05/2004 09:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143