Mandalo (KEL)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandalo tokoa mantsy ianao
Toy ny aloka niserana
Toa nofinofy hatramin\' izao
Mitomany anao ny fo zary trotraka sy reraka

Tadidiko hatramin\'izao ilay rivotra nitsoka
Nampirehitra ny afo tato anaty tato
Nanome fanantenana ity maso efa kotsa
Reraky ny ranomaso sy alahelo zay tsy niato

Hadino avokoa ny hirifiry izay nanjo
Satria toa sandaina lafo ny tsy eo anilanao
Naleoko izao tontolo izao no hanjavona sy lo
Toy izay ianao no tsy hary, ho zary fery hatramin'izao.

Nandalo tokoa ianao, tsy hay raha mbola hiverina!
Mitso-drano anao ny mba hahita ny soa
Ho lavitry ny alahelo sy ny fahoriana tsy hay toherina
Hoy ilay tsy manadino ny tantaran' ny taloha...!

KEL
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/kel/mandalo-1
2530 1
Hevitra mandeha
vetsoko ( 30/07/2005 18:33)
eeehhh,il y a toujours quelqu'un qui va et qui ne reviendra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KEL
Nampiditra : Dona
Daty : 30/07/2005 11:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.143