IFALIO (Diavolana Sambatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly aho raha toa ka mahita volana
Satria izany no ahatsapako fa misy ny tany
Faly aho raho toa ka misedra olana
Satria izany no ahatsapako fa velona ihany
...
Satria efa voasoratry ny lalàn'ny fiainana
ary efa voatendry ho ahy sy ianao
Fa ambadiky ny jaly sy ny fanaintainana
ao no misy ilay hasambarana vao
...
Fa ny rahona tsy maintsy,hanakona ihany
ary koa hanamaizina antsika tsy jamba
Hany ka hamafy erika,oran-tomany
saingy amboniny ao 'lay habaka manga
...
Ka omano ny fo,mba vonona hitolona
ary ny fanantenana no mbivo ao an-tsaina
Atsangano ny hery satria tena olona
ary ny olana no ahatsapana hoe miaina
...
diapenin'i: Diavolana Sambatra
28/Aogositra/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
909 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Diavolana Sambatra
Nampiditra : Maintsondratra
Daty : 22/09/2016 10:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139