MBA MAMIKO !!! (Diavolana Sambatra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba mamiko lahy,izanx trano izany
Toa mamiratra sy tena mahafinaritra
Trano manelana ny lanitra sy tany
Ary trano iangonan'ny vahoakan'Andriamanitra

Trano fivavahana,sady fihaonana
Ary ankalazana ny famonjena ahy sy ianao
Fanaovana sorona,sorom-pisaorana
'lay Jesoa Kristy zanak'ondry vaovao

Tranom-pidarana ilay Andriamanitra
Iarahana amin'ireo Anjely any an-danitra
Miaraka amin'izy ireo midera sy mitafa
'lay Jesoa Kristy Zanak'ondry ny Paka

Tranom-pihobiana an'ilay Nahary
Fangatahim-pitahiana amin'i Tompo Zanahary
Ary trano masina
Itoeran'i Fanahy Masina

Mba mamiko lahy,izany trano izany
Trano mamotika sy mandrava fialonana
Eh!!! Toa paradisa eh!! tena paradisa an-tany
Tsy inona izany fa ny FIANGONANA
--------
Rohy:
1157 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Diavolana Sambatra
Nampiditra : Maintsondratra
Daty : 01/07/2016 17:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014