ATOLOTRO HO ANAO - Manisarivo RAKOTOMANGA
Tsingerin-taonako tokoa
No nanoratanao ahy voaloany
dia ilay teny firarin-tsoa
Izay no natolony
Tsaroako tsara io andro io
Alatsinainy t@ izay
dia t@io andro io koa
No niniarahabanao ahy
Nisaotra anao aho ny ampitso
Fa faly loatra ity foko
Ka ny masoko no nakipiko
No nilazako ny ato am-poko
Dia nandeha teny ny andro
Dia nandeha koa ny resaka
Nilaza ianao fa mety ho avy
Handalo ihany anefa fa tsy
hipetraka
Enga anie any aoriana
Mba ho tanteraka ihany ity fanirina
Dia ilay fitiavako mangina
mitempo miandry olo-tiana
Sokajy :
Fanantenana
Hevitra mandeha
babycool (13/11/2006 18:06:51)
aoka re marina e!!!tena resy a!!!