ADALA VE NY TIA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adala ny tia, tsy mahalala avona
fa na hiafenana aza, misisika ihany
very saina ve sa ilay fitia efa lavony
fa mijoro tsy ami-kenatra, mifika ny tomany

Ny sarin’ny lasa, tampikirana mafy
mikaroka hamamiana, ho enti- mandresy
alahelo ny omaly, tsy hitamberina ho avy
fa nalevin’ny fony, mihira fa mpandresy

Izay teny kely, mba nalefany ho setry
ny antso mba natao, noheverina fitia
hay takon’avona miery, mametsy
ny fo mbola tia, marary sy malia

adala hoy aho ny tia, manofy vorona an-danitra
nolalovany dia hendratra, namorOna vohitra hafa
nefa dia aloka niserana, izay niainana mba manitra
fa nentin-drivotra nisinda, hamonjy toera-kafa

hatraiza ny adala, no hametra ny nofiny
sy tsy hihevitra ny nofy, fa ho tanteraka
fa harary anaty irery, hisento fitia nahifiny
hitampikitra amin’ny fitia, vizana sy reraka

hisedra avona mantsy, hitsena sakana
raha hikiry hitia, hamboly rivotra
ho entin’ny tadio, faon’ny fandavana
hangasihasy samirery, hafana hangovitra

hihevitra fa mbola ho tiana, dia ho sahy
hiantso foana tsisy farany, hanantena hisy hamaly
ho vizana hitazana, izy tsy ho avy lahy
fa vohitra hafa no tontoliny, ianao no hijaly

ka hijanona hitia na tsy hamaly aza izy
sa hikiry hanadino na marary aza ny fo
fa ny adala mantsy hono, lazaina mpanao hambozizy
sa ho hendrin’ny fitiavana, hiriaria amin’ny toloko ?
--------
Rohy:
1745 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 07/01/2011 16:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146