raha sendra... - MiséVonjy
Azo vakiana?
raha sendra ianao mahatsiaro
irony lasa tsara sy ratsy mifangaro
dia izao no ataovy an-tsaina
vitantsika ireny tsisy niala maina
raha sendra ianao ka manenina
te hody sy te hiverina
zao ny ahy no mba teniko
ireny rehetra ireny feriko
raha sendra ianao ka mbola tezitra
misaina mangina ao an'efitra
ka dinio tsara hoe inona no nahatonga izany
izay ianao vao manontany
raha sendra ka hitanao
dia mbalazao......
raha toa mantsy ka ny tenako
dia hifonako tsy hiverenako
raha sendra nefa ka ny hafa
dia esory ny atezerana aoka hifafa
dia mba hitsikio vaitra
sao lahy ny valiny tsy laitra..
Sokajy :
Aingam-panahy, Fiaraha-monina
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : scourDaty : 07/06/2018
Mpamangy : 608
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
tsy sahymandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA
22 NOVAMBRA