FIVAVAKO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa raha vao mifoha aho, ka manandratra ny fivavako
dia ny sarinao, ny fitiavan-tsika no tonga ao am-bavako
tononiko hatrany sy hampiakariko any an-danitra
ho tafita sy voaray ka eken’ilay Andriamanitra

Ny andro izay misandratra, hanatontosako izay lahasa
dia hapetrako tanteraka amin’ilay tompon’ny asa
fa ny fitiavako anao, ilay tsy lefy ato am-po
antom-pivavahako manokana sy hitafako amin’ilay Tsitoha

Mahery ka manempotra, ezahina ihany ny hamehy
ny fitiavako anao, mba ho tsiky ravahana hehy
no hameno ny androko nefa, fantatro ny ady ato anaty
ka vao mifoha aho dia, manandratra ilay fitiavana tsy maty,

ho ren’ilay Andriamanitra, izay fitiavana tokana mandidy
fa ny fitia izay nokoloiko ho anao, vita sedra ka safidy
tsy ho an’alin-kisa maro, fa singa tokana voafaritra
fihiniko ato an-tratra, hasandratro ho ren’ny lanitra

K’isan’andro vao mifoha, injao anaty fivavako
misoka moramora, velon’aina ihany koa ‘lay fitiavako
miara-miakatra amin’ny tonom-bavako, ilay tokana ato am-po
rahoviana re ry Ray, rahoviana no ho ekenao tokoa

Ny hiarahanay mba ho finaritra
Fa nekenao ‘lay fitia, ry Tompo Andriamanitra ?
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1277 1
Mpakafy: mimi12
Hevitra mandeha
mimi12 ( 13/11/2010 18:52)
tena tsara... mahafinaritra bé...mampienta-mpo tokoa!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 24/08/2010 10:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142