KANEFA E ! (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resy aho akia, ka tsy tanako tsy hirotsaka
ny ranomasoko hikoriana hamonto ito tavako
fa nikiry ihany isika, nisintona tsy ho latsaka
Kanefa e! indrisy, resy re rahavako.

Nantsoin-tsika ny vintana, hanitsy izany dia
fa mamy tamin-tsika, ny lasa izay niharahana
na volana na kintana, nantsoina ihany koa avia
Kanefa e! indrisy, tapaka ny làlana

Ny tana-tsika roa, nifamikitra nalaina
hisaraka hanamarika, fisarahana hangidy
ny tànanao notanako, ny ahy savolaina
Kanefa e! indrisy, f’izay angaha ny didy.

Ny molotro nagovitra, nanoroka ho farany
ny molotrao natolotra, mamiko aok’izany
namerina ny lasa, mampirotsaka tomany
Kanefa e! indrisy, izany no eto an-tany


Dia iny ianao no dify, tsy ho hitako intsony
ho aloka daholo, ny làla-nomba rehetra
tsy maintsy hialoalo, ny bikanao tsy foiny
Kanefa e! indrisy, hatreo akia ny fetra
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1239 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 12/08/2010 08:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146