You are here: home > Vetso

MISY FOTOANA - MiséVonjy

Misy ny fotoana hitamberenanin’ny lasa, manditsoka ny fo
hisampotenan’ny tsiahy, mandratra ny ao anaty
k’ireo nohadinoana rehetra sy nalevina ho lo
no manangatra mahaory fa mitsangana amin’ny maty

Tsaroako ‘lay fotoana toy ny sasa-kalina
nilazanao ‘lay teny nampirotsaka tomany
f’izao tontolo izao na atoandro aza dia fanina
ity foko mba nitia, ontsaontsa valalanina

Eny misy ny fotoana, hitamberenan’ny tsiahy
dia ireo fotoana mamy mba niarahan-tsika.
Eny tiako hiainana ihany na makarary ny fanahy
fa mba fiainana iny mantsy na dia lasa nangatsiaka


Fa ny sentosenton’ity fo nianjadiam-pahoriana
notsindriako vato sy noperako hoe mangina
saingy injao ao anaty midobodobo-kafaliana
noserananao…dia tsy haiko mahavariana

Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 05/08/2010
Mpamangy : 634
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA

Hametraka hevitra

Midira aloha