You are here: home > Vetso

SIOTSIOKA - MiséVonjy

Siotsioka tsy hay fiaviana,
Tononkira tonga ho azy
Zary kalon’olo-tiana
Miverimberina toa sazy.

Sarisary mialoalo,
Manalokaloka fijery,
Mitoetra tsy takalo
Zary namana tsy very.

Embonembona mandalo
Mandrakotra fisainana
Tompontany tsy mpandalo
Larolaron’ny fiainana.

Fa rivotra mitsoka
Mitondra embona…manitra
Sentosento misononoka
Anilan’andriambavilanitra.

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 02/05/2011
Mpamangy : 653
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA

Hametraka hevitra

Midira aloha