You are here: home > Vetso

HERIM-PITIA - NIAINA

Tsy mampaninona ahy
raha toa ka ny fisiako
No heverinao tsy misy
Manoloana an-janakao
izay niantefan'ilay fitia
Avy ao anatiko ao

Tsy mampaninona ahy
Raha toa ka fahanginana
No setrim-piarabako
Fa ny tiako ho fantatrao
Dia ny bitsiky ny foko
No naniraka ahy ho aty
Manoloana ilay fitia

Raha ny resaka fitiavana
Tsy mba azonao sakanana
Tsy misy hoe nahoana?
Tsy misy hoe kanefa
Fa rehefa miantefa
Dia manana toetra
Mampipararetra
Dia,ilay heverinao ho ditra
Manoloana an-janakao

Ilay foko no mitia
Ka tsy voavilinao
Ho ery an-kafa ery
Fa izahay dia samy tia
NIAINA(06/06/18)

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : NIAINA


Nampiditra : Avotra09
Daty : 06/12/2018
Mpamangy : 171
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NY ANY AMBANIVOHITRA
MATY AHO

Hametraka hevitra

Midira aloha