Hanaja anao aho (NIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fantatrao angaha
Ianao ange no tiko e?
Ianao no faniriko
Eny,ianao no tena izy
Fa tsy ireny hafa ireny akory
Manaiky aho fa hainy
Ny mambabo ny fanahy
Saingy izaho ankia malala
Matahotra tsy sahy

Tsy ny hafa no hisarahantsika
Ka handravana ilay fitiavantsika
Ampy ahy ianao
Ka ny fantatro izao
Dia ny manaja anao
Hitia anao no hany tarigetrako
Tokatrano sambatra no hany reharehako
Satria safidiko ianao
Niaina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1389 0
Hevitra mandeha
Avotra09 ( 24/01/2019 01:35)
mba ampio @ tipelina e
raims randriamalala ( 24/01/2019 14:38)
miarahaba anao, tsy hoe Avotra no fiantso anao sa Niaina, eny ary! mila toro-hevitra ianao dia izao aloha atao, mamaky boky amin'ny teny malagasy indrindra fa ny tononkalo efa misy, fa ho ahitsiko kely ihany aloha ny hoe anie...e, ny teny hoe anie dia fampiasa any amin'ny firariantsoa noho izany tsy fiteny ny hoe ianao anie ka izao e! izany hoe ny fiteny dia hoe ianao ange ka izao e! izany hoe ange no tena fiteny fa anie raha manao fanamafiasan-teny
anie = firariantso
ange ... e = fanamafisana ny teny ho tenenina
tohizo hatrany ny fanoratana e, dia midira fikambanana e
ankia = azonao alàna ao izany
Avotra09 ( 26/01/2019 14:10)
Misaotra anao fa mahafinaritra e!Niaina no anarana isalorako any @ asa soratro fa Avotra no ato @serasera ato
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NIAINA
Nampiditra : Avotra09
Daty : 24/01/2019 01:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154