MOFOGASY (Nitiah Nosy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sakafo tena hafa kely,
boribory toa kodiarana;
tsy mba lafo velively,
jereo ange fa ilaharana!

Tsy mba sarotra zahana,
fa hita etsy sy eroa!
Ra' sendra azy vao mafana,
tsy mionona amin'iray sy roa!

Arahin-kafe io na dite,
"tsiro" izany anie ry ireto e!
Fotsiny omboloy ange,
'ty fofony manentohento!

Ela no efa nanandramako,
raha karaza-mofomamy;
f'iray no tsiro tena tsy afako,
ny an'ny "mofogasy" izany!

Nitiah Nosy
16/04/16
tamin'ny 4ora hariva
--------
Rohy:
Sokajy : sakafo
1232 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nitiah Nosy
Nampiditra : NitiahNosy01
Daty : 16/04/2016 15:50
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014