Sa ve tsy Gasy? (Nitiah Nosy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malagasy aho,
sahala ‘zaho sy ianao;
nefa mahagaga,
tena mahavaka:
rehefa mba mitafa,
valianao teny hafa!
Teny farantsay,
tsy tenin-dreninay;
na koa anglisy,
tsy ho azoko mihitsy!
Sa ve ianao tsy Gasy?

Nitiah Nosy
30/01/16
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1059 3
Hevitra mandeha
03314 ( 15/04/2016 17:44)
Gasy aho ! ary gasy Reny
fantatro fa maha tezitra anao ireny
izao ko mba gaga ihany
ra malagasy toa varina aman-tany

Miteny ny tsy an'ny tompony
farantsay,anglisy...sinoa
izaho aloha variana tokoa..
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nitiah Nosy
Nampiditra : NitiahNosy01
Daty : 14/04/2016 15:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153