Ny Masonao (Ny Kanto MARISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany aho mahatsiaro, mieritreritra ilay andro
Nifanenako taminao, nibaliaka toa masoandro
Saika tsy afa-po mihitsy aho raha nijery anao
Fa dia variana sy nandinika, mibanjina ny masonao

Tsy haiko hoe maninona, tsy haiko hoe nahoana
Fa rehefa tojo anao aho, rehefa isika tafihaona
Dia hafa mihitsy no mitranga, miova ny tontolo
Ny manodidina rehetra dia manjavona daholo

Izao aho vao mahatsapa, izao aho vao mahatsikaritra
Fa matoa aho variana, mijery anao maharitra
Dia tsy inona tsy akory fa noho ilay masonao mihiratra
Miampy ilay hatsaranao sy ilay tsikinao mamiratra

Raha ny masonao mantsy dia tena hafakely mihitsy
Ary ny olona toa anao dia mino aho fa tena vitsy
Mba tsy ilazako hoe tsy misy hafa tsy ianao
No manana fijery toy izao fijerinao izao

Amiko manokana anefa, ny fijerinao dia tsy manam-paharoa
Mahatonga anao sariaka sy manana endrika soa
Hany ka mientana ery ny foko vao tojo ny masonao
Velomboly tanteraka ka manjary te hanantona anao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
830 1
Mpakafy: nikantoindrindra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto MARISON
Nampiditra : nikantoindrindra
Daty : 25/03/2017 06:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154