Niova ianao (Ny Kanto MARISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola tena tsaroako foana
Ireo andro, ora sy fotoana
Niarahantsika sy ianao
Nisangisangy sy nilalao

Mitamberina ato an-tsaiko ilay hatsaranao
Indrindra fa rehefa mahita ireo sarinao
Mandinika ny volonao milanto
Sy ilay endrikao izay tena kanto

Mba azonao an-tsaina ve ireny
Firesako sy fomba amam-piteny
Manadokadoka, mananihany anao
Mamazivazy, mamalifaly anao

Ireo fiarahantsika mifampitantana
Miara-midoladola eny an-dalana
Mijerijery ireo tanàna
Nanaovantsika adalàna

Raha mba fantatrao mantsy tamin'ireny
Fa misy feo mikiakiaka ombieniombieny
Manakoako mafy any anatiko any
Miantso anao tsy misy fihafarany

Rehefa sendra mahatazana anao
Na koa rehefa tsy mahita anao
Eny, misy fitiavana tsy hay lazaina
Re mitepo ary tena reko miaina

Ankehitriny, zavatra hafa no miseho
Satria niova ianao, niova tampoka teo
Lasa miavona, na topy maso aza tsisy
Tsy miherika amiko, tsy mijery ahy mihitsy

Tena tsapako potipotika mihitsy ny foko
Tsisy ahaizana azy intsony na bika na loko
Satria de nolefonin'ilay fijerinao
Sy ilay hakanton'ny endrikao

Raha sendra mifanena aminao
Na arahaba aza tsy ataonao
Na ilay kopa-tanana fanaonao ireny
Tsisy intsony rehefa eny an-dalana eny

Fa dia naninona anao loatra aho
No tsy vakianao loha sy iavonavonanao
Mba manontany tena ihany aho indraindray
Nefa tsy mahita ny antony na anankiray

Izao fotsiny ny ahy no teniko
Ary tsy misy asitriko na afeniko
Tsy ho adinoko na oviana na oviana ianao
Na ilay tsikinao na ilay hatsaranao

Ary mbola mino aho sady mbola manantena
Fa indray andro ano isika rehefa mifanena
Dia tsy hiavona amiko intsony ianao
Fa anome ilay tsiky tsy ahafoizako anao.

Ny Kanto
--------
Rohy:
1581 1
Mpakafy: nikantoindrindra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto MARISON
Nampiditra : Nikantoindrindra
Daty : 04/04/2015 14:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792