Fa rahoviana (R.A.N)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa rahoviana re vao mba higoga hasambarana
Vao ho voky hafaliana sy ireo izay tsy mba nananana
Fa rahoviana re vao handao ity fiainako
Ny sentosento sy toloko isanandro itaranaiko

Fa rahoviana ihany koa vao hitsiky tena tsiky
Fa tsy foana hoe hanakonana ilay fery
Fa rahovina re vao horitra ity kapokako
Fa manavezatra ny sandriko milanja ity ziogako

Fa rahovina ihany koa no tsy hatsiaro ny lasa
Ireny fotoana nijaliana ilay fo feno ratra
Fa rahoviana ihany koa vao adinoko ireo latsa
Niaretako fahiny sy ireo vono sy daka

Fa rahoviana ihany vao ho feno tsy misy banga
Ilay hasambarana karohina indrisy tsy managasanga
Fa rahoviana ihany koa vao tonga ilay fanaperana
Ka hanadino ireo ngidin'ity fiainana

Fa rahoviana re vao hadinoko ny tavany
Ka tsy ampiotsona ahy intsony ny maheno ny anarany
Fa rahoviana re vao hisy olona hanarina
Ilay fitia nosomparana

Fa rahoviana vao tsy hisento isakin'izay matsiaro
Ka hitsiky ampifaliana fa tsy andranomaso
Fa rahoviana ihany re ho toa ilay nendrasana
Ilay rivo baovao nefa indrisy fa tsy tazana

Fa rahoviana vao afaka ato ambavako ilay teny
Famerimberiko isanandro indrindra rehefa irery
Dia ny hoe mandrapahoviana no hisento sy hitoloko
Dia ny hoe mandrapahoviana vao ho ravo ity foko

Fa izay rehetra zay jerena dia manopo maramara
Tsy mba fotsy madio ka hoe mangarahara
Fa toa takona avokoa misitery no mba entiny
Ka mampisalasala foana izay zavatra raiketiny

27.07.18
--------
Rohy:
766 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.A.N
Nampiditra : Avotra Niaina R.A.N
Daty : 12/08/2018 20:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139