TSIARO (Rayane tsiarofitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO

Misy ora iray mety hampangiana
Ka tsy hiloa-peo izato vava
Dia ny tsiaro ho anao ry tiana
Ny zava-hita, faha-zaza

Dia izaho sy ianao, no voalohany
D'ianao sy'zaho ilay niara-tia
'Lay peta-molotra antsalovany
'Lay tsongon-tia nirako-diany

Iny ny vakan'eny an-tanany
Izay mandravaka hampiaingo
Ho tsiaro anao ilay teny maminy
Izay notsongaina, tan-daingo

Fa tianao. niraiki-po
Raha samy ho nofy ndeha. kalohy
Ilay diam-pitia ho anolon-droa
Hitomoetra ho tsiaro fohy

Ny diam-peniko mbamin'ny asa kanto
No asandrato ho tsiaro
Fa ny fo mitia sy miantsoantso
Avelao ho tsiaro, ho dindo ianao mandalo....
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1139 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rayane tsiarofitia
Nampiditra : harifidison
Daty : 23/09/2016 08:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135