MITORY INONA? (Rayane tsiarofitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jereo ange ny ratrany
'Zay mivesatra am-pony ao
Mitoreo izay izay tsy zakany
Malahelo noho ny tsy hamalianao

Jereo ny sentosentom-pony
Rehefa mahita anao ireny
Te-hamoaka izay kobonina
No te-hiantsampy hanome ilay teny

Fa raha tsapanao tokoa
Izato ratra mitambesatra
Ilay fitia ananako roa
Ilay fitia mila anao hiara-hivesatra.

Jereo ny endriny malazo
Tsapa fa mila mba hanatsara
Dia henoy ny kalo sy ny vazony
Fa miloam-pitia,mivolon-tara

Jereo ny fihetsiko aminao
Na ilay bika mitory 'lay fitia aza efa tonta
O! mba saino re! Ka valio na izao d'izao
Zato handrarezin'ny fitihiko efa konka.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
969 1
Mpakafy: harifidison
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rayane tsiarofitia
Nampiditra : harifidison
Daty : 01/09/2016 14:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133