You are here: home > Vetso

Mafy - sergent

Mafy,
Mafy rehefa tia
eny,mafy hoy aho satria
na ny fo na ny saina
tsy mitsaha mitaraina
ny mitady ilay lalaina
izay tiana sy antenaina,
eny, na vahotra ny tena
Ka miahotra ny saina
ny fo tsy te hahalala
fa mitady hatrany hatrany
mitady ilay malala
na dia tsy tiany aza,
fa misisika hatrany
dia misisika  ihany
na dia fotsiny aza hoe
hahita fotsiny ihany
lay salovan-tavany any
sy zay mety ho fomba fiainany
ka te hanampy raha tomany
te ho faly raha sariaka
te hahafantatra hatrany
na ny hita na ny tsy hita
satria......TENA TIA

Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : sergent

Nampiditra : sergent
Daty : 13/12/2006
Mpamangy : 1055
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha