Ianao (sergent)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao,
ianao no mba tiako, mba hitantana ahy
ianao no iriko ho hasina ho ahy
ianao eny no inoako fa tolotra ho ahy
anjara voatendry, ho silampanahy


Ho fo iray ,ny fanahy ihany koa
raha mbola misento, hifanisy soa
ho andry iankinana raha misy manjo
na sento, tomany ,tsikitsiky ihany koa

Fa fitia no atolotra tsy mila tambiny
manome de manolotra,izay ihany no tanjony
ka na fiainana ho mora na hahery setra
efa voadiko ry aiko....."AINA NO FETRA"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1114 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sergent
Nampiditra : sergent
Daty : 15/10/2007 13:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135