Raha nisy ... (TrMich)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nisy ny teny izay navoakan'ny vavako,
Dia teny manandanja, teny avy ao am-po.
Raha nisy ny teny nomeko anao rahavako,
Raiso an-tanandroa, satria hoantsika roa ...

Raha nisy voninkazo 'zay nalaiko ho anao,
Raha nisy redirediko ka lasa asa-soratra,
Raha nisy ny tanako efa teny an-tananao
Dia milaza izany hoe ny masoandroko mihiratra.

koa raha misy ny alahelo 'zay anananao amiko,
Raha misy hasarotam-piaro mankarary ny fitia,
Raha misy ahiahy any momba ny fiavako
Matokisa ahy ianao, ny aty dia hodoria ...

(29/09/17- 23:41))
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
858 1
Mpakafy: michael3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TrMich
Nampiditra : michael3
Daty : 01/08/2018 13:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133