Vao nitia anao aho taloha (TrMich)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nitia anao aho taloha
Saro-kenatra ihany
Tsy mba nisy fiafarany
...

Mbola kely mantsy isika
Nefa... tafalatsaka tao
Anatin'ny fonjan'ny fitia
Tafaray lalana, tafiara-dia

Tsy mba navelany nivoaka
Tsy mba navelany nitraotra.
Notazomin'ny rojom-pitia ka
Tsy mba afaka nitsoaka

Nefa isika kely loatra...

Nifanalavitra nefa isika avy eo,
Ka rava ho azy ilay fiarahana
Nahasambatra ahy teo.
Nosarahin'ny fiainana...

...

Lehibe nefa isika izao,
Hitako indray ianao.
Nifoa an-terisetra indray ilay
Fitiavana efa tao...

Nokoloiko hatramin'ny ela
Napatoriako tao anatiko tao,
Tsy mba nataoko kilalao...

Vonona aho ny hamerina
Raha toa ka sitrakao,
Ka hanoy ny fiainako am-pilaminana
Eo anilanao...

(21/04/16 - 22:58)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1218 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TrMich
Nampiditra : michael3
Daty : 07/05/2016 16:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139