Fampidirana Antsa

Raha toa ka manana antsa hozaraina ianao dia azonao atao ny mandefa azy aty aminay amin'ny adiresy vetso@serasera.org na azonao ampidirina mivantana ao amin'ny  https://radiovazogasy.com/radio/upload koa. Fa rehefa alefanao amin'ireo dia tsy miseho avy hatrany fa mbola miandry anay hikarakara azy.

Raha tianao hiseho avy hatrany ny antsa dia azonao ampidirina amin'ny Google Drive izay anao. Ka toa izao no fampidirana azy.

Rehefa tafiditrao any amin'ny Google Drive ilay izy dia tsindrio amin'ny bokotra havanana eo ambonin'ilay fichier (click droite) dia mandehana eo amin'ilay hoe Partager (sary 1: tsindrio raha tianao ho hita tsara) 

Rehefa tafasokatra dia tsindrio ilay hoe Limité mba hanovana azy (sary 2)

Avy eo dia safidio ilay hoe "Tous les utilisateurs qui ont le lien" (sary 3)

 

Miova ho maitso ilay soratra avy eo, azonao alaina amin'izay ilay lien, tsindrio ilay hoe "Copier le lien" (sary 4)

 

Miverena amin'izay ao amin'ny fampidirana antsa dia apetaho eo ilay lien (Ctrl+v na coller) dia esory izay tsy ilaina (ilay fileID voafaritra mena eto amin'ny sary 5 ihany no ilaina)

Ohatra hoe ito no azonao: https://drive.google.com/file/d/1lABj4YlGlVWLrwhVPuenKWiObJZiQ2jW/view?usp=drive_link 

dia ilay sora-matevina anelanelan'ny / / ihany no ilaina: izany hoe ilay 1lABj4YlGlVWLrwhVPuenKWiObJZiQ2jW

Dia tsindrio ny Tehirizo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1021