Hampiditra sary Nampiditra : antsiry
Daty : 13/06/2006 21:11
Nijery : 1691
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

antsiry

Ianao ry taniko

fony teo anilanao
de lazaiko tsotr'izao
tsy voadinik'isanandro
na maraina na atoandro......
ny hakantonao ry Gasikara

fahazarana hatrany
ny mahita anao ry tany
tany izay mamelona ahy
mampiaina ny fanahy......
tsy nokoloiko mba ho tsara

kely zaho tsy nahalala
nitombo indray nisalasala
fa namadika ny tafa ,
ka naniry tany hafa........
tsara soratra any ampita

ekena marina tokoa
fa tsy manampaharoa
rah'fandrosoana no lazaina
nefa zao no ataovy an-tsaina...
nosy mena no antsika.

toa voatsindrona'antsy
fa ny zavamisy mantsy
fanaratsiana anao no maro
sary ,teny mifangaro.....
mankararirary fo

ambetindresaka fa hoe
mahantra mafy sy kere
fa ny maha anao anao
no ambaniana tsotra izao.....
toa olom-bery zo

teo vao fantatro fa hay
ianao mitoetra anatinay
zahay kosa anatinao
ka ny fahavalonao........
tsy havelanay hanjaka

raha ny hafa no tsy tia
tsy ahoana fa satria
tsy izy ireo no anjaranao
ka lazaina tsotr"izao......
ho hamafisina ny laka

rah' ny fandaozana anao
an-tany lavitra no injao
no ahalalako misimisy
tena momba anao mihitsy.....
dia ekeko tsotra izao

fa jambena aho taloha
ka nisarona ny loha
tsy nahita ny ho tiavina
tsy nahalala zay ho soavina....
Dia ianao ry tany mamiko

Antsiry.


noforonina anio 14 jiona 2006 ,00 ora26 minitra
eto altkirch, Haut-Rhin ,France
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/antsiry
Tononkalo ( 1)

Tsy misy tononkalo hita.

Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125