Hampiditra sary Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 11/11/2024 10:45
Nijery : 54
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

AQUARIUS

Tolojanahary SANTATRINIAINA no tena anarany, teraka tamin'ny 26 janoary 2001 tao amin'ny maternity Ambodirano Antananarivo. Ny faha 13 taonany izy no teraka tao anatin'ny literatiora malagasy ary nanomboka nanora-tsoratra fandrangitam-panahy tanaty vakiraoka.

Vololoniaina no Reniny ary Rakotoson Hajanirina kosa no rainy (Samy avy any Vakinankaratra avokoa) 4 mianadahy mpiray tam-po izy ary Lahimatoa mitam-pizokiana ny sakaiza.
Ny taona 2022 no nisokatra tanaty fifaninana ranama ary nahazo ny faha 4 tamin'ny fifaninana tononkalo '' faha 100 taona nampianaran'i RASOLO ANDRE'' tao Antsirabe.

Ny taona 2023 kosa no nanomboka nahitana azy tanaty horonan-tsarimihetsika Malagasy voalohany ''ILAY JAMBA'',
izay nitanany ny solon'anarana hoe i "PASY".

Niasa tamina onjam-peo ny sakaiza taorian'izay (XL Radio 89.6 FM) ary taorian'izay dia mpitazom-barotra tao amina orinasa mpamokatra akanjo anankiray indray ny havana taty aoriana (AQUARELLE Antsirabe)

Ireo Solon'anarany:

Volomboahirana
SNTH Rapoly
Tolotry ny Avo
Tsiriry
Zavona Rakoto

Ny Tara-kevitra novohiziny:

Ny fitiavana,taratry ny fahakambotiana,fahafatesana,fitiavan-tanindrazana,fampijoroana ny rariny,sns

Mbola tsy maty
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/aquarius
Tononkalo ( 0)

Tsy misy tononkalo hita.

Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0508