Hevitra momba an'i Dox

Hiverina amin'i Dox
sarondrahona ( 29/05/2004 09:58)
Anisan'ny Poeta mankafy ny Asa soratr'i DOX aho, amin'ny maha - Zokibe Mpitari -dalana azy, nefa heveriko kosa fa tsara, ary mety indrindra aza, raha ampitomboinareo taranany ny asa sorany ato anaty vetso serasera, mba hahafahan'ny rehetra manovo aina avy amin'izany. Mba ampitomboy ireo tononkalony ato e !
Misaotra e !
Avy amin'i SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (Tél : 033 14 253 57
G1234 ( 29/07/2005 13:14)
Raha tsy diso aho dia i dox ihany koa no nanoratra an´ilay hoe " Ny Paiso".
Tsianjerinay t@ mbola kely mantsy izy io.
Ny Paiso
tafatsiry indray ny paiso ,eo an-tokontaninay.
Rako-pelana ny paiso, mavokely ranoray.....
Ikalamira ( 19/08/2005 11:26)
Maro tokoa ny mpankafy ny asa soratr'i DOX no efa nangataka ny hamoahana bebe kokoa ny tononkalony, koa dia ho hitanareo ato àry ireo vao nampidirinay, isany ny "Paiso".
Fanamarihana kely ny 12 jona 1978 no nodimandry i DOX fa tsy ny 14 izay daty nandevenana azy tany amin'ny fasan-drazany.
Misaotra anareo rehetra e!
hery ( 24/08/2005 09:16)
misaotra an'Ikalamira. Nahitsy ilay daty tetsy ambony.
ledada ( 28/11/2006 10:36)
raha ny reko, ao ireo mahalala ahanitsy raha toa kadiso ny nolazaiko, fa oe hasiana statut lehibe an'i Dox eo Andohalo, ary @ herintaona (2007) no hanaovana an'zany
Nayssa ( 29/11/2006 19:10)
Misaotra anareo rehetra izay namorona ity takelaka ity ny tenako ,harena tsy roa aman-tany no ato anatiny ,mirary anareo rehetra mba hanohy ihany eh
Kiala.andria ( 26/12/2017 17:15)
anisan'ireo mpanoratra tena hankafiziko i Dox ary nampandatsaka ny ranomasolo ny asa-Soratra nataony. mba alefaso eto daholo ny asa-sorany azafady raha azo atao.misaotra tompoko.
#Dafa
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117