HASINIAINA
FO TIA
Raha lazaiko anao izao ny fidoboky ny foko
Dia mahatoto vary toy ny laona sy fanonto
Ary tena mivaivay sy mitempontempo
Ka na vy mahery aza azony tonga dia miempo
Raha lazaiko anao ny foko izay mitia
Tsy mahay miova na mihatsara ivelan-tsihy
Fa lazaiko eto fa ny foko dia tokana
Tsy ampy hozaraina fa ho anao manokana
Raha lazaiko anao ny foko rehefa manina
Tsy azoko ny aiko fa izaho toa fanina
Ary mila hianjera hidaboka amin'ny tany
Tsy tantiko intsony ka rotsaka tomany
Raha lazaiko anao izao ny fitiavako
Dia tena potika aminao mihintsy re rahavako
Ka tsy misy analana na dia sombiny aza
Ka aza manana ahiahy fa izay no voalaza
Raha lazaiko anao ny ato am-poko rehetra
Dia fitia miavosa fa tsy misy fetra
Tsy azo atakalo na koa zarazaraina
Fa ho anao irery ihany ry sombiniaina
HASINIAINA
Hevitra mandeha
Rapha (03/02/2006 05:29:02)
Tsara be ny ton-
Mahereza fa tsara.
Maniry ny hihaona aminao.
JEREO NY FARA-FARA
hasiniony (04/02/2006 08:13:13)
Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako …
Vahatr’aina, tanjo-tokana eny kitro ifaharako
Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako
Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako
Fa fitiavako ianao, eritretro fanahiko, …
Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany hitsahiko
Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy
Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy
Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako !
Hira mamiko izany ka tsy afaka ato ambavako
Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany
Fa fitiavako ianao, eny fitiavako madio …
Hoy ny teny fivoadiko, aolotro anao anio !
TsongYong (11/06/2006 10:07:05)
Wao!!!zany ka tonokalo! ilay rima mifanaraka tsara okay! fa hitanao Hasiniaina ny tonokalo misy fanaingona azy @ alalan'ny andalana izay tokony hosarahina zany hoe na izy atao andalana efatra ao anatin'ny andininy iray avy eo afaka manao andalana 3 ianao sns. Inoko fa tsy hahasosotra anao io toromarika io fa kosa mba hanampy anao dia mazotoa hatrany manoratra fa efa ao anatinao ilay talenta. Okay! bye!!
mimiso (21/06/2006 06:13:27)
Tena tsara fa tohizo e!!! de miandry ny manaraka kou e!!!
hasiniony (26/02/2011 12:34:23)
Misaotra an'i TsongYong; saingy marihiko fa ahy manokana io firafitra io, fantatro mialoha ny fanamarihana mety hisy kanefa izao mihintsy no tsanganana ijoroan'ny tontonkalo.
Hametraka hevitra
Midira alohaSary
Hampiditra saryMombamomba
Nampiditra : TsongDaty : 17/01/2006
Mpamangy : 2074
Mankafy : 0
Ankafizo