Hevitra momba an'i HASINIONY

Hiverina amin'i HASINIONY
crrlanto ( 07/09/2004 22:17)
Amiko ny hoe :TIA dia avy amin,janahary , rehefa tia manoratra ianao dia izay ilay hery manintona anao sy ny soratra ,ilay hery miafina avy aminao , tianao havoaka ,ilay hery avy ao ampo ahafahanao mamolaka ny teny ho kanto, noho zany dia voajanahary ny toetry ny poeta
nyeja ( 11/07/2005 06:17)
hasiniony a tsara ny sangan'asanao , anisan'ny mpamaky azy matetika aho ary dia tena tiako tokoa
mahereza hatrany hoy ilay poeta tahaka anao
Ny Eja
RAILOVY ( 10/10/2006 12:17)
Hasiniony a, tena mpankafy ny maha malagasy rehetra indrindra ny literatiora, tiko mihitsy raha misy tanora mitovy amiko tahaka anao miezaka ny hanandratra ny maha malagasy. Tohizo fa manara-dia anao hatrany aho. Mahereza
kiriah ( 25/01/2012 21:50)
Raha tsy diso ny fanombànako dia isan' ireo olona mpankafy ny sangan' asan' i E.D ANDRIAMALALA angamba ianao, raha namaky sasantsasany tamin ireo tonokalo nosoratanao aho no lasa tampoka tany amin ' i E.D ny saiko MAZOTO e! ary mahereza hatramin ny farany.
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082