Hampiditra sary
Nampiditra :
ikora
Daty : 05/01/2017 22:04
Nijery : 962
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo Daty : 05/01/2017 22:04
Nijery : 962
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
ikora
iKora dia teraka ny 15 jolay 1996 tao amin'ny P.A Merikanjaka/Manjakandriana.Zanak'i Rakotoniriana Haingoniaina Arson sy Rasoazananary Vololoniriana.
iKora dia nianatra tao amin'ny sekolim-panjakana EPP Ambohijafy Est ny taona 2002 ka hatramin'ny taona 2007(T1->T5) ,taorian'izay kosa izy dia nianatra kilasy faha enina tao amin'ny sekoly tsy miankina iray (Lycee Prive Andrianina) tao Ambolokandrina ny taona 2007 ary tsy niala tao raha tsy navita ny kilasy famaranana ny taona 2015.
Rehefa indray izay dia nanaraka ny sampam-pampianarana FILOZOFIA tao amin'ny Anjery manontolon'Antananarivo izy.
Ankoatra ny fanoratana tononkalo dia nahitana an'iKora ihany koa ny fanoratana tantara filalao an-dapihazo sy ny filalaovana "theatre";tao koa ny fanaovana fanatanjahan-tena mahery setra toy ny "PARKOUR".
Ny fitiavany ireo rehetra ireo no nanosika azy sy ny namany hanangana ny fikambanana TSHI(Tanora Samy Ho Iray) izay ivon-toerana enti-mizara amin'ireo tanora mpikambana sy namana ny trakefa azony.
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ikora
Tononkalo ( 1)
Antsantononkalo
Mbola tsisy niantsa