Hampiditra sary Nampiditra : Mysento
Daty : 09/08/2009 14:02
Nijery : 584
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Mysento

Mikisana makaty!


Refa izaho mba tratra alina
Noho ireo asa miav
Tena tsy mahatelin-kanina
Ka tsaroako miha-osa



Mangina ny tontolo
Efa tena tapi-mandry
Siotsiokam-boron-dolo
Ao ivelany no miandry



F'ilay vady tiko kosa anefa
Tsy namoha trano ahy akory
Tsy vanona ahy ny hilefa
Angamba izy ,momokin'ny tory



Pfff!Ny masoko no hany sisa
Nivotirika aok'izany
Ireo kintan'alin-kisa
No mba nanazava izany



Mba mikisana makaty reh!
Mba hifaneritery
F'ilay vadiko tsy nihontsina
Fa namela ahy irery!!!
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/mikisana-makaty
Tononkalo ( 0)

Tsy misy tononkalo hita.

Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany
Mysento ( 09/08/2009 14:03)
anjaso alo fa diso toerana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1247